Sujet Type Histoire-Géographie No 11 | Baccalauréat Série S session 2011 à Madagascar

Sujet I: Géographie – Dissertation
Les Etats-Unis et le Japon, deux puissances différentes.
Faites une étude comparative sur les points suivants :
- L’agriculture
- L’industrie
- Le commerce
Sujet II: Histoire – Commentaire
La détente de 1962-1975
Au cours des années 60, le monolithisme des deux blocs tend à s’effriter, les deux supergrands amorcent une négociation sur le plan commercial et se rapprochent pour limiter la course aux armements. C’est la détente. Cet esprit nouveau n’exclut pas la confrontation particulièrement aiguë dans le long conflit Vietnamien, elle reste une donnée permanente dans les relations internationales.
(In collection GREGH, Terminales  ABCD/Histoire du monde de 1939 à nos jours, Page:128.)
Commentez ce document à partir des indications suivantes:
- Analysez les causes de l’effritement du monolithisme des deux blocs au cours des années 60.
- Montrez les aspects de la détente dans les domaines commercial et militaire. 
Laza adina I: Jeografia – Famoaboasan-kevitra
I Etazonia sy Japon, tanjaka roa samy hafa.
Ataovy ny fampitahàna miainga amin’ny fanadihadiana ireto teboka ireto: 
- Ny fambolena
- Ny indostria
- Ny varotra
Laza adina II: Tantara – Fanadihadiana tahirin-kevitra
Ny fileferana 1962 -1975
Hatramin’ny taona 60, dia nihena tsikelikely ny rindrim-bato nampisaraka ny vondrona roa, nanomboka nanao fifanarahana ara-barotra sy nifanatona ny ngeza roa tonta mba hamerana ny fifaninanana eo amin’ny famoronana fitaovam-piadiana. Izany no atao hoe fileferana. Io toe-tsaina vaovao io anefa dia tsy nanafoana ny fifandonana mahery vaika nandritry ny adin’ny Vietnamiana, izay nijanona ho lonilony hatrany teo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena.
(In collection GREGH, Terminales  ABCD/Histoire du monde de 1939 à nos jours, Page:128.)
Hadihadio io tahirin-kevitra io ka:
- Diniho ireo anton-javatra niteraka ny fihenan’ny rindrim-bato mampisaraka ny vondrona roa tao anatin’ny taona 60.
- Asehoy ny endriky ny fileferana teo amin’ny lafiny ara-barotra sy ara-tafika.

Sujet Type Histoire-Géographie No 10 | Baccalauréat Série S session 2010 à Madagascar

Sujet I: Géographie – Dissertation
La triade domine le monde d’aujourd’hui sur le plan politique, économique et culturel. Expliquer
Sujet II: Histoire – Commentaire de document
« A Madagascar, de longues années d’incertitude et de deuil succèdent à la rébellion de 1947. […]. L’action des nationalistes malgaches aboutit, après l’accession au pouvoir du général de Gaulle en France, à la naissance de la République Malgache, le 14 octobre 1958. Moins de deux années plus tard, le transfert de compétence achève l’évolution. Le 26 juin 1960, Madagascar est un Etat indépendant et souverain ».
(La marche vers l’indépendance (1948-1960)/F. Labatut et R. Raharinarivonirina Madagascar, étude historique, Ed. Fernand Nathan. 1969, p:185. )
A l’aide des indications suivantes et de vos connaissances, commenter ce document :
- Insister sur les facteurs de la décolonisation à Madagascar.
- Expliquer la loi Cadre et son application ainsi que les phases de mise en place de la République.
Laza Adina I: Jeografia – Famoaboasan-kevitra
Mifehy an’izao tontolo izao ankehitriny eo amin’ny lafiny politika, toekarena sy kolon-tsaina ny “Telo Lehibe Matanjaka” (Triade). Hazavao.
Laza Adina II: Tantara – Fanadihadiana tahirin-kevitra
“Teto Madagasikara, taona maro feno tsy fahazoana antoka ny ho avy sy fisaonana no nandimby ny tabataba tamin’ny 1947. […]. Ny fihetsik’ireo tia tanindrazana Malagasy tao aorinan’ny fahatongavan’ny jeneraly de Gaulle teo amin’ny fitondrana dia niafara tamin’ny fahaterahan’ny Repoblika Malagasy ny 14 oktobra 1958. Tsy ampy roa taona taty aorian’ny famindrana ny fahaiza - manao no namarana ny fivoarana. Ny 26 jona 1960 dia tonga fanjakana mahaleo tena sy manana ny fiandrianany i Madagasikara”.
(La marche vers l’indépendance (1948-1960)/F. Labatut et R. Raharinarivonirina Madagascar, étude historique, Ed. Fernand Nathan. 1969, p:185. )
Amin’ny alalan’ireto fanamarihana manaraka ireto sy amin’ny fahalalana anananao, hadihadio io tahirin-kevitra io :
- Tsindrio ireo antony fanilihana ny fanjanahan-tany teto Madagasikara.
- Hazavao ny lalàna lasitra sy ny fampiharana azy ary ny fametrahana ny Repoblika.

Sujet Type Histoire-Géographie No 9 | Baccalauréat Série S session 2009 à Madagascar

Sujet I: Histoire – Dissertation
« Les situations socio-économiques et politiques à la fin de la 2ème Guerre Mondiale ont amené les pays du Monde à se rapprocher et à créer l’Organisation des Nations-Unies.»
- Analyser ce constat tout en expliquant les liens existant entre le bilan de la 2ème Guerre Mondiale et la création de l’Organisation des Nations-Unies.
Sujet II: Géographie – Commentaire de document
Les hommes, les informations, les produits circulent toujours plus nombreux et toujours plus vite à la surface de la terre. Certaines idées, certains traits culturels ou certaines formes de l’organisation de l’espace se rencontrent donc partout.
… Pourtant, la diversité se renforce à l’intérieur des pays ou des régions dans plusieurs domaines. (Géographie, Terminales  NATHAN, P. 8.)
Commenter ce Document à partir de vos connaissances et des indications suivantes :
- Analyser les différents facteurs favorisant la Mondialisation.
- Le Document montre que le phénomène de globalisation n’est que partiel.
- Expliquer ce constat en insistant sur les limites, les bénéficiaires ainsi que la conséquence de la Mondialisation.
Laza Adina I: Tantara – Famoaboasan-kevitra
“Ny toe-draharaha ara-tsosialy, ara-toekarena sy ara-pôlitika tamin’ny fiafaran’ny Ady Lehibe Faharoa dia nitondra ny Firenena maro maneran-tany hifanatona ary namorona ny Firenena Mikambana.”
- Hadihadio io tranga io ka asongadino amin’ny fanazavana ny fifamatorana misy eo amin’ny vokatry ny Ady Lehibe Faharoa sy ny namoronana ny Firenena Mikambana.
Laza Adina II: Jeografia – Fanadihadiana tahirin-kevitra
Mihamitombo ary mihahaingana hatrany ny fivezivezen’ny ny olona, ny vaovao ary ny vokatra isan-karazany maneran-tany. Vokatr’izany dia tsapa fa mifanojo ny sasantsasany amin’ny endriky ny(toetra ara-) kolontsaina, ny hevitra na koa amin’ny endriky ny lamina eo anivon’ny habaka (erana) na aiza na aiza eto an-tany.
... Na izany aza nefa dia misongadina ny fahasamihafana amin’ny sehatra maro na eo anivon’ny Firenena na eo anivon’ny faritra tsirairay avy. (Géographie, Terminales NATHAN, P. 8.)
Hadihadio ny Tahirin-kevitra araka ny fahalalanao sy ny torolalalana manaraka:
- Fakafakao ireo antony manome vahana ny fanatontoloana.
- Ny Tahirin-kevitra dia maneho fa ny fanatontoloana dia miseho amin’ny ampahany ihany.
- Hazavao io voka-mpandinihana io (tsapa) ka asongadino ireo fetra ny Fanatontoloana, ireo izay mahazo tombotsoa aminy ary ny mety ho vokatr’izany Fanantotoloana izany.

Sujet Type Histoire-Géographie No 8 | Baccalauréat Série S session 2008 à Madagascar

Sujet I: Histoire – Dissertation
Le fossé séparant l’Est et l’Ouest n’a été définitivement comblé qu’avec l’effondrement du communisme.
- Dégager les facteurs qui favorisent l’apaisement des relations Est - Ouest.
- Montrer les faits majeurs qui marquent la fin de la Guerre froide.
Sujet II Géographie – Commentaire de document
Rapport mondial sur le développement humain. pnud, 2002. 
D’après ce document et vos connaissances:
- Expliquer les contrastes et les inégalités entre le Nord et le Sud
- Analyser la diversité du Sud 
Laza adina I: Tantara – Famoaboasan-kevitra
Ny hantsana nanasaraka ny Tatsinanana sy nyTandrefana dia tsy tototra tanteraka raha tsy nirodana ny Kominisma.
- Asongadino ireo antony nampitony ny fifandraisana teo amin’ny Tatsinanana sy ny Tandrefana.
- Asehoy ireo zava - dehibe nanamarika ny fiafaran’ny Ady mangatsiaka.
Laza adina II  Jeografia - Fanadihadiana tahirin-kevitra
Tatitra maneran-tany mikasika ny fandrosoan’ny mponina. PNUD, 2002. 
Araka ny hevitra avoakan’io tahirin-kevitra io sy ny fahalalanao:
- Hazavao ny fifanoherana sy ny fahasamihafana eo amin’ny Tavaratra sy ny Tatsimo.
- Hadihadio ny fahasamihafana eo amin’ny samy Tatsimo.

Sujet Type Histoire-Géographie No 7 | Baccalauréat Série S session 2005 à Madagascar

GEOGRAPHIE: Dissertation

Au Japon, les handicaps sont surmontés et les atouts renouvelés. Expliquer et développer.

HISTOIRE: Commentaire de document (bac série A session 2013)

L’émancipation des peuples dépendants
La décolonisation débute dès 1945. A la faveur de la guerre les mouvements nationalistes profitent de l'affaiblissement des métropoles européennes et demandent la reconnaissance de leurs revendications.
L’hostilité des Etats-Unis ou de l’U.R.S.S à la colonisation, la création d’un organisme comme l’ONU sont par ailleurs autant d’éléments favorables à l’émancipation des peuples dominés (…)
(In: Histoire Terminale, Collection J. Le Pellec p: 193.)
Commentez ce document à l’aide des directives suivantes:
- Expliquez que l’affaiblissement des métropoles est à l’origine de la décolonisation.
- Pourquoi les Etats-Unis et l’U.R.S.S sont favorables à la décolonisation?
- Quel est le rôle de l’O.N.U dans la décolonisation ?
JEOGRAFIA: Famoaboasan-kevitra
Any Japana, dia ihoarana hatrany ny olana aman-tsakana ary havaozina hatrany ihany koa ireo hery ananana nahitam-pahombiazana. Hazavao ary fakafakao.
TANTARA: Fanadihadiana tahirin-kevitra
Ny fanafahana ireo vahoaka voageja.
Niantomboka tamin’ny 1945 ny fanafoanana ny fanjanahantany. Ny fahosan’ny renivohitra erôpeanina vokatry ny ady no nahafahan’ny vondron’ny tia tanindrazana nanararaotra sy nangataka ny hankatoavana ny fitakiana nataony.
Ny fankahalan’i Etazonia na ny Firaisana Sôvietika ny fanjanahantany, ny fananganana fikambanana toy ny « Firenena Mikambana » no anisan’ireo toe-javatra nampahomby ny fanafahana ny vahoaka voageja.
(Nalaina tao amin’ny: Histoire Terminale, Collection J. Le Pellec p: 193.)
Hadihadio ity tahirin-kevitra ity ary ampiasao amin’izany ireto tari-dalana manaraka ireto:
- Hazavao fa ny fahaosan’ireo renivohitra erôpeanina no anisan’ny loharanon’ny fanafoanana ny fanjanahantany.
- Nahoana i Etazonia sy ny Firaisana Sôvietika no nankasitraka ny fanafoanana ny fanjanahantany?
- Inona no anjara asan’ny Firenena Mikambana teo amin’ny fanafoanana ny fanjanahantany?

Sujet Type Histoire-Géographie No 6 | Baccalauréat Série S session 2004 à Madagascar

SUJET I: Géographie : Dissertation
« Le sud est un ensemble hétérogène.» Expliquez et analysez.
SUJET II : Histoire: Commentaire de document (BAC série A session 2011)
La perestroïka, une révolution.
Engagée dès 1985 par Mikhaïl Gorbatchev,  nouveau secrétaire  général du PCUS, la perestroïka vise à redonner à l’URSS efficacité et dynamisme, et à la population soviétique, goût de l’effort et enthousiasme. Quatre ans après les premiers pas de cette longue marche, chacun commence à apercevoir l’ampleur et la difficulté de cette remise en cause radicale.
Extrait du manuel d’histoire « de 1945 à nos jours ». Collection Grehg, Classes Terminales.
D’après les renseignements fournis par le document :
Identifiez la nouvelle orientation souhaitée par la perestroïka.
Quels sont les problèmes rencontrés dans la pratique de la perestroïka et quelles sont leurs conséquences immédiates ?
LAZA ADINA I: Jeografia: Famoaboasan-kevitra
«Ny tatsimo dia vondrona ahitana karazam-panorenana ara-toekarena samihafa». Hazavao sy fakafakao.
LAZA ADINA II: Tantara: Fanadihadiana tahirin-kevitra
Ny « perestroïka », fiovana tanteraka.
Natomboka tamin’ny taona 1985, nataon’i Mikhaïl Gorbatchev, ny « perestroïka » dia mikendry hanome indray hoan’ny Firaisana Sovietika fahafaha-mamokatra sy risim-po, ary hoan’ny vahoaka sovietika tsiron’ny ezaka sy fiheretam-po. Efa-taona tao aorinan’ireo dingana voalohany tamin’io dia lavitr’ezaka io, samy nanomboka nahatsinjo ny halehibe sy ny hasarotan’io fanovana ifotony io ny tsirairay.
Nalaina tamin’ny boky tantara « de 1945 à nos jours » Collection Grehg Kilasy famaranana.
Araka ny toromarika omen’ny lahatsoratra:
Fantaro ny soridalana vaovao irian’ny “perestroïka” hotratrarina.
Inona avy ireo olana nosedraina tamin’ny fampiharana ny “perestroïka” ary inona ireo fiantraikany eo no eo?

Sujet Type Histoire-Géographie No 5 | Baccalauréat Série S session 2003 à Madagascar

SUJET I: Géographie – Dissertation
La population américaine.
Insister sur l’origine, le « melting-pot » et les classes sociales.
SUJET II: Histoire – Commentaire (BAC série C-D session 2014)
Discours de JDANOV
Plus nous nous éloignons de la fin de la guerre et plus nettement apparaissent les deux directions principales de la politique internationale de l’après guerre : le camp anti-impérialiste et démocratique et le camp impérialiste (...)
Les Etats-Unis sont la principale force dirigeante du camp impérialiste. L’Angleterre et la France sont unies aux Etats-Unis. Les forces anti-impérialistes et anti-fascistes forment l’autre camp. L’URSS et les pays de la démocratie nouvelle en sont le fondement.
JDANOV - Septembre 1947
A l’aide de ce texte et de vos connaissances :
- Expliquez la bipolarisation du monde en 1947.
- Analysez l’organisation politique et militaire des deux camps.
LAZA ADINA I: Jeografia – Famoaboasan-kevitra :
Ny mponina amerikana
Jereo manokana ny fiaviany, ny antsoina hoe « melting-pot » ary ireo saranga hita any.
LAZA ADINA II: Tantara – Fanadihadiana tahirin-kevitra.
Kabarin’i JDANOV
Taorian’ny ady lehibe faharoa dia nisongadina teo amin’ny sehatra politika iraisam-pirenena fa sori-dalana roa miavaka tsara no misy: Vondrona iray, mandala ny demokrasia sady manohitra ny fanjakazakana antanin’olona ary Vondrona iray hafa, manaiky ny fanjakazakana an-tanin’olona (...).
I Etazonia no mpitarika ao amin’ny Vondrona lazaina fa manjakazaka antanin’olona. Miara-dalana aminy i Frantsa sy Angletera. Ireo hery mandà ny fanjakazakana antanin’olona sy mitsipaka ny fasista no mitambatra ao amin’ny Vondrona iray. I URSS sy ireo firenena nisafidy ny demokrasia no mivondrona ao.
JDANOV - Septembra 1947
Miainga amin’io lahatsoratra io sy ny fahalalanao manokana :
- Hazavao ny fivakisan’izao tontolo izao ho roa taorian’ny 1947.
- Fakafakao ny lamina ara-politika sy ara-tafika teo amin ‘ny Vondrona roa.

Sujet Type Histoire-Géographie No 4 | Baccalauréat Série S session 2002 à Madagascar

PREMIER GROUPE :
I. QUESTION OBLIGATOIRE: HISTOIRE
Perestroïka et Glasnost.
- De qui sont ces idées politiques ?
- Quels sont les objectifs et les conséquences ?
II. DISSERTATION: GEOGRAPHIE
‘‘L’espace agricole des USA est vaste, son exploitation entraîne succès et problèmes’’. Expliquez.
DEUXIEME GROUPE :
I. QUESTION OBLIGATOIRE: GEOGRAPHIE
Qu’est-ce que l’IDH (Indice de Développement Humain) ?
II. DISSERTATION: HISTOIRE
Le rôle de l’ONU est-il limité seulement au maintien de la paix et de la sécurité internationale ? 
SOKAJY VOALOHANY:
I. Fanontaniana tsy maintsy valiana: TANTARA
Ny ‘‘Perestroïka’’ sy ny ‘‘Glasnost’’.
- Avy amin’iza moa ireo hevitra politika ireo?
- Inona no tanjona ary inona no vokany?
II. FaMOABOASAN-KEVITRA: JEOGRAFIA
‘‘Midadasika ny heban’ny fambolena any Etazonia, miteraka fahombiazana sy olana ny famokarana azy’’. Hazavao.
SOKAJY FAHAROA:
I. Fanontaniana tsy maintsy valiana: JEOGRAFIA
Inona no atao hoe “IDH ’’?
II. FaMOABOASAN-KEVITRA: TANTARA
Voafetra ho amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana sy ny filaminana iraisam-pirenena fotsiny ihany ve ny andraikitry ny Firenena Mikambana?

Sujet Type Histoire-Géographie No 3 | Baccalauréat Série S session 2001 à Madagascar

Premier groupe:
1) Question obligatoire: Histoire
L’organisation économique et militaire du bloc communiste.
2) Dissertation: Géographie
Le développement industriel des Etats-Unis est le résultat des conditions naturelles favorables et de l’efficacité de l’organisation humaine. Expliquez.
Deuxième groupe:
1) Question obligatoire: Géographie
Complétez la carte en indiquant sur la légende les différents types de climat des Etats-Unis. 
2) Dissertation : Histoire
Le bilan de la seconde guerre mondiale et le rôle des Etats-Unis dans l’organisation de la paix et la reconstruction. Expliquez.
Sokajy  I:
1) Fanontaniana tsy maintsy valiana: Tantara.
Ny lamina ara-toekarena sy ara-tafika teo amin’ny vondrontany kominista.
2) Famoaboasan-kevitra: Jeografia.
Ny fandrosoan’ny indostria amerikana dia vokatry ny fahatsaran’ny zava-misy ara-boajanahary sy ny fahombiazan’ny fandaminana nentin’ny olona. Hazavao.
Sokajy II:
1) Fanontaniana tsy maintsy valiana : Jeografia.
Fenoy ity sarintany ity ka apetraho eo amin’ny maribolana ny karazana toetany misy any Etazonia.
2) Famoaboasan-kevitra : Tantara.
Ny tombambokatry ny ady lehibe faharoa sy ny anjara noraisin’i Etazonia teo amin’ny fandaminana ny fandriampahalemana sy ny asam-panarenana. Hazavao.                               
                                                                      

Sujet Type Histoire-Géographie No 2 | Baccalauréat Série S session 2000 à Madagascar

Premier groupe:
I. Question obligatoire: Histoire
La crise de Cuba (1962)
II. Dissertation: Géographie                                                              
Le poids économique des Etats-Unis est inséparable au rôle mondial du dollar. Expliquer.
Deuxième groupe
I. Question obligatoire: Géographie
Les bénéficiaires de la mondialisation.
II. Dissertation: Histoire                                      
Différents facteurs ont poussé les pays colonisateurs à donner l’indépendance à leurs colonies. Mais la décolonisation de l’Afrique a pris un retard par rapport à celle de l’Asie.
Expliquer.
Sokajy I
I. Fanontaniana tsy maintsy valiana: Tantara
Ny raharaha manahirana nitranga tany Cuba tamin’ny taona 1962.
II. Famoaboasan-kevitra: Jeografia
Tsy azo sarahina amin’ny toerana misy ny vola dollar eran-tany ny lanja ara toekarena tazonon’i Etazonia. Hazavao.
Sokajy II
I. Fanontaniana tsy maintsy valiana: Jeografia
Ny mahazo tombony amin’ny fanatontoloina.
II. Famoaboasan-kevitra: Tantara
Antony samihafa no nanosika ny firenena mpanjanaka hanome fahaleovantena ny zanataniny. Na izany aza nefa dia tratra aoriana ny fanafahana an’i Afrika teo amin’ny fanjanahana raha oharina amin’ny an’i Azia. Hazavao.

Sujet Type Histoire-Géographie No 1 | Baccalauréat Série S session 1999 à Madagascar

Premier groupe
1°) Question obligatoire : Histoire
Les guerres israélo-arabes : les étapes et les bilans (les dates sont de rigueur).
2°) Sujet de réflexion : Géographie
La réussite du Japon étonne le monde.  Etudiez les secrets de cette compétitivité récente.
Deuxième groupe
1°) Question obligatoire: Géographie       
La CEE:
- l’origine, la date de la création et les fondateurs.
- l’élargissement  (les dates sont de rigueur) et les palmarès économiques.
2°) Sujet de réflexion: Histoire
L’URSS et les pays de démocratie populaire de l’Europe de 1947 à 1990.
Sokajy I
1°) Fanontaniana tsy maintsy valiana: Tantara
Ny adin’ny israelianina sy ny arabo : ireo dingana samihafa sy ny vokatra (daty).
2°) Famoaboasan-kevitra : Jeografia
Gaga izao tontolo izao noho ny fahombiazan’i Japana.
Fakafakao izay zava-miafina nahafahany mifaninana vao tsy ela akory izay.
Sokajy II
1°) Fanontaniana tsy maintsy valiana : Jeografia
Ny CEE:
- Ny fiforonany sy ny daty nananganana ary ireo mpanorina.
- Ny fivelarany (daty) sy ny zava-bita tsara indrindra ara-toe-karena.
2°) Famoaboasan-kevitra: Tantara
Ny Firaisana Sovietika sy ireo firenena tao Eoropa Atsinanana ny 1947 ka hatramin’ny 1990