A. Fanontaninana
1.
Milaza ohabolana na oha-pitenena teloa (03) mikasika ny Fanahy.
2.
Lazao ny tena anaran’i Rado.
B. Famakafakan-kevitra
Hoy
ity mpandinika iray: “Tsy misy biby te ho kary fa mahery ny laha-janahary”.
Fakafakao sy tsikerao.
D. Fanadihadiana Lahatsoratra
(…)
Ka ny tena mpanoratra, ny tena poeta, dia ilay mahay mandresy lahatra ny
mpamaky, ilay mamony ny tenany, ilay mpamalifaly, manohina anao hangoraka,
halahelo, ilay misarika anao ho tia, mety hanosika anao hankahala, ilay
mahatonga anao hankasitraka, dia ilay mpandrindra ny fihetsem-ponao hiankavia
na hiankavanana.
Ny
aingam-panahy no karazana tromba mambambo ny fon’ny poet aka mahatonga azy
hiteny kanto, hanoratra ny meva, hambabo fo hafa. Manampy izany indrindra ny
fivelaran-tsaina, ny herin’ny fieretseretana, ny asan’ny fanahy, ireo rehetra
ireo mitambatra no tonga hery famoronana, ka antsoina hoe talenta.
Manatevina
izany rehetra izany ny tetika sy paika enti-mandrindra ny asa, izay mahatonga
ny fitenenana fa ny poeta dia mpandrindra. Ka ny feo sy ny teny no arafiny ho
tonga sora-kanto. Ary ny soratra avoakany amin’izany dia maneho fa ny
mpanoratra, ny poeta dia havanana sy kinga amin’ny fampiasana teny sy soratra:
ahodiny hanana endrika miavaka ireny ka miteraka fihetseham-po miavaka koa.
Ny
soratra no ahalalana fa ny nofinofy, ny fahitana mbamin’ny tsindrimandry
iainan’ny mpanoratra no avoakany. Tsy izany ihany fa ao ny fanomezana dikany ny
fiainana, ny fanazavana ny fitrangan-javatra ao amin’ny fiaraha-monina. Ary
mbola maneho amin’ny alalan’ny teny risi-po sy ny fahadisoam-panantenana koa
izy.
Rakotomahafaly Norbert Eugene
(Madagascar-tribune, No 028, 17 Janvier 1989)
Mamony:
mampionona, mampitony.
Fanontaniana: Hadihadio
io lahatsoratra io