A. Fanontaninana
1.
Milaza antony telo mahatonga ny Malagasy hitsimbina fatratra ny Aina.
2.
Milaza lafin-javatra telo mampiseho ny maha-kanto ny tononkalo.
B. Famakafakan-kevitra
Hoy
I Charles Ranaivo ao amin’ny Gazety Fiainana Lah 64, Avril 1934:
“Sambatra
ny olona izay mbola mahay midera, mankasitraka, sy tia ny namany izay soa sy
ambony, fa mbola velona sy manan-kery ary mitombo ao aminy ny tsirin’ny
fahasoavana sy ny fahamboniana”. Fakafakao sy tsikerao izany teniny izany.
D. Fanadihadiana Lahatsoratra
Efitra telon’ny fiainana!
Miefitrefitra
ny fianam-dRaolombelona. Misy efitra voalohany, dia ilay itovizany amin’ny biby
rehetra; dia izy teraka sy mitombo ary maty, mahare fahafinaretana na fijaliana
amin’ny nofony, mampiasa ny zava-boahary hahasoa ny fianany. Ambaratonga ambany
indrindra io amin’ny fiainan’olombelona: fiainana ara-batana, fiainana
ara-pivelomana.
Efitra
faharoa kosa, dia ilay iarahany amin’ny olombelona tahaka azy; dia izy
mifanerasera sy mifampikasoka, ka mifankatia na mifankahala, mifamalifaly na
mifanorisory. Ambaratonga ambonimbony kokoa io: fiainana araka ny fo, fiainana
ara-pihavanana.
Ary
efitra fahatelo farany, dia ilay ao anaty miankina amin’ny safidy sy ny
finiavana tokana: dia izy mizaka ny tenany na ho tsara na ho ratsy, na ho
mahitsy na ho meloka, eo anatrehan’ny eritseriny tsy azo salovanina.
Ambaratonga ambony indrindra io: fianana ara-panahy, ara-pahamarinana.
R. P. Rahajarizafy (Filozofia Malagasy
tak. 134)
Fanontaniana: Hadihadio
io sombin-dahatsoratra io