A. Fanontaninana
1.
Milaza sokajin’olona ialan-tsiny rehefa hikabary na handray fitenenana.
2.
Milaza ohabolana na oha-pitenenana telo (03) mikasika ny Tody.
B. Famakafakan-kevitra
Hoy
ny mpandinika iray:
“Lalana
iray ahatongavan’ny tsirairay sy ny fiaraha-monina amin’ny atao hoe tonga
lafatra ny finoana ny fisian’ny tsiny sy ny tody”. Fakafakao sy tsikerao izany
fiheverana izany.
D. Fanadihadiana Lahatsoratra
(…)
– Hanao boto? Lehilahy efa mba teny amin’ny oniversite ve dia hanao
boton’olona? Tsy rariny kosa izany!
-
Fa angaha ny “maha-lehilahy lehibe teny amin’ny oniversite” ahy hahitako ny
haniko isan’andro? Ary inona intsony moa izay rariny e? Ny miasa an-trano no
mba haiku sy mora mety hahitana asa. Izay no anjara tratrako.
-
Marina kanjo ny anao! Tena mampalahelo isika tanora ankehitriny. Mba nianatra
ihany. Mba nandanian’ireo ray aman-drenintsika fatotra amam-pondrana ihany, …
nefa dia izao: tsy an’asa.
-
Izany anie no ilazako hoe: Tsy hitako intsony izay Rariny! Raha ny fikirizako
fahiny ry Meja, tsy haniry izay ho mpiasa an-trano mihitsy aho! Tsy izany
velively no tanjoko (…) saingy resy e! Ny hahitana izay sitrany ahay
vaza-mihetsika sisa …
Iharilanto Patrick Andriamangatiana (in
Vakivakim-piainana, tak. 26-27)
Fanontaniana:
Hadihadio io lahatsoratra io.