A. Fanontaninana
1.
Inona avy ireo tara-kevitra telo lehibe nisongadina tamin’ny asa soratra
Malagasy?
2.
Inona no atao hoe anjara amin’ny foto-pisainana Malagasy? Inona avy ny karazany
raha ny loharano nipoirany no jerena?
B. Famakafakan-kevitra
Hoy
ity mpandinika iray: “Toa mila tsy hino ny tody intsony ny olona, satria toa
botrabotra ny mpanao ratsy ary saozanina ny mpandala ny rariny”. Fakafakao sy
tsikerao.
D. Fanadihadiana Lahatsoratra
-
Atao ahoana re, ry Tsiry a! Ny fon’ny mpanam-bola tsy mba mitempotempo
fiantrana.
-
Ka tsy izay fiantrany anie no ilaiko fa ny tokony ho ahy! Tsy mangataka aminy
aho fa mitaky ny anjarako.
-
Ka ny anjaran’ny mahantra anie dia izay atolotry ny mpanana azy ihany e!
-
Dia inona no Fahamarinana amin’izany?
-
An’Andriamanitra ny Fahamarinana, fa an’ny vola ny rariny eto an-tany.
Mampalahelo
izany saingy araka ny hitako, dia izay no zava-misy. Ny tompon’ny fahefana eto
an-tany di any firenena manan-karena, ny tambatr’orin’asa manan-karena, ny
fianakaviana manan-karena, ny olona manan-karena. Ary io fahefana io no ajorony
ho Rariny. Ny “Rariny” kosa indray no ifotoran’ny “Mariny”. Ary ny “Mariny” no
ataony hoe: Marina. Ny ankoatr’izay, tsy izy! Na raha “izy”, tsy misy lanjany
akory!
(…)
Dia vita ny famotorana teny Anosy. Tsy misy olona azo notanana tamin’ny
fitondrana volamena antsokosoko ity afa-tsy izaho irery, ary milaza ny tatitra
fa efa niaiky izany aho.
Ny
fiarovan-tenako maivana! Tsy misy porofo!
-
Aiditra eny am-ponja ianao hiandry ny fitsarana anao! Hoy ilay mpitsara mpanao
famotorana.
Tsy
niaro tena intsony aho; atao inona moa izany! Efa tsy marina ny mariko. Efa
sandoka ny fahamarinako. Naleoko nangina …
Iharilanto Patrick Andriamangatiana (Vakivakim-piainana)
Hadihadio ny
lahatsoratra.