A. Fanontaninana
1.
Manomeza lahabolana am-bava telo (03) ka lazao ny faritra mpanao azy.
2.
Milaza ohabolana telo (03) mikasika ny “Aina”.
B. Famakafakan-kevitra
Hoy
ity mpandinika iray: “Ny Literatiora! … mitaiza ny olona ho any amin’ny
tontolon’ny nofinofy”. Fakafako sy tsikerao.
D. Fanadihadiana Lahatsoratra
Tsy
avy hatrany dia fantatra ny Marina fa mbola liana ny vavolombelona mahatoky
matetika. Mampalahelo anefa ny mahita ny sasany tsy mety milaza izay tena
Marina fa resin-tahotra, tsy sahy mijoro ho vavolombelona mahatoky fa miforitra
ohatra ny olona tsy manana hazon-damosina. Ny olona izay milaza ny Marina dia
tahaka ny farihy madio mangarangarana ka hita ao ny taratry ny lanitra manga sy
ny famirapiratry ny vato kilonjy fotsy.
Joseph Rabetafika, Mpanolo-tsaina,
Lah-4, oktobra 1904.
Fanontaniana:
Hadihadio io lahatsoratra io.