A. Fanontaninana
1.
Iza no nanoratra an’ireto boky manaraka ireto:
-Mitaraina
ny tany
-Ny
fanagasiana
2.
Misy fizarana efatra ny tantara raketin’ny boky “Vakivakim-piainana”. Nomena
lohateny tsirairay ireo fizarana ireo. Tanisao ary alaharo.
B. Famakafakan-kevitra
Hoy
i Ramily ao amin’ny boky vakivakim-piainana
nosoratan’Iharilanto Patrick Andriamangatiana: “Ny vola miteraka havana fa
ny havana mandany vola”. Fakafakao izany fiheverana izany.
D. Fanadihadiana Lahatsoratra
Ny Soratra?
Talenta
manjopiaka anaty rindra noforonina
Zanaky
ny misy sy ny fiaraha-monina
Ny marina sy tsapa nadikan’ny
fanahy
Nolaroina nofinofy sy ny hanitry ny
tsiahy.
Fizaran’ny
mpanoratra ny ritsoka voaoty
Apalesina
ho kanto ianohan-drotsirotsy.
Salohin-dokon-teny maningotra ny
fo.
Rakitra ny omaly, tantara ho avy
koa.
Asiniony, 13 Janoary 1997
(Akom-piainana, tak. 48)
Hadihadio
ny lahatsoratra.