A. Fanontaninana
1.
Tanisao ireo lohatenim-pizarana ao anatin’ny Boky “Vakivakim-piainana”
nosoratan’i Iharilanto Patrick Andriamangatiana.
2.
Milaza eva na dondo telo (03) nentin’ny Malagasy naneho ny aina.
B. Famakafakan-kevitra
Hoy
ity mpandinika iray: “Mitarika ny olona hahay mitondra tena ny fananam-panahy,
ary mampirindra ny fiainam-piaraha-monina ihany koa”. Fakafakao.
D. Fanadihadiana Lahatsoratra
Ianao!
Eny,
ianao ilay poeta, izay mandany ron-doha,
Te
hamboraka ny miafina sy milevina ao am-po
Ka
mandrary soratsoratra hanana endrika milanto
Sy
miezaka hampihaingo hanatratra irony kanto.
Eny
ianao ilay poeta, voahosom-potaka mazana,
Sy
lazaina ho mpandrongony sy mpandika ireo lalana
Ka
matetika mamikitra tsy ho lavo na hianjera
Sy
miezaka mirakitra an-takila ireo tsikera.
Eny
ianao ilay poeta, tia sy miaro Tanindrazana
Tsy
mitsitsy ranomainty mivandravandra, mihidy vazana,
Saro-piaro
amin’ny tany, amin’ny teny sy ny zony:
“Ny
fahafahanao ry Taniny no fahafahana ao am-pony”.
Eny ianao ilay poeta, mitsikera ny
fisiana,
Eny ianao ilay mpitondra vatsim-po
ho fifaliana.
Hery Rakotojaona in Sandatra, May
1990.
Hadihadio
io tononkalo io.